Tranokala mitory an'i Jesoa Kristy

Ny Zava-kendreny ?

Ny olona tsirairay dia mila manana fifandraisana amin'Andriamanitra.
Hoy ny tenin'ny Soratra Masina milaza hoe : " Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao, dia hiadana. " Joba 22:21a
Izahay dia mitaona ny olona mba handray izany fiadanana atolotr'Andriamanitra izany.

" Mitoria ny teny, mazotoa na amin'ny fotoana na tsy amin'ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin'ny fahari-po sy fampianarana rehetra. " II Timoty 4:2









- FIZARANA -


Teny Iainako

" Miambena : fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany." 1 Petera 5:8

" Soyez sobres, veillez. Votre adversaire, le diable, rôle comme un lion rugissant, cherchant qui il devorera. " 1 Pierre 5:8

" Be self-controlled and alert. Your enemy the devil prowls around like a roaring lion looking for someone to devour. " 1 Peter 5:8

Hozaraiko amin'ny Tompo anio

Hozaraiko amin'ny Tompo anio (Vavaka)
" Mankanesa aty amiko ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana." Matio 11/28

... Andriamanitra Ray any an-danitra ô, mangataka famelana sy famindram-po Aminao aho fa tsy tanteraka teo anatrehanao ka mifona Aminao. Amorony fo madio aho Andriamanitra ô, tariho amin'ny Fanahinao Masina hatrany. Amin'ny anaran'i Jesoa Kristy zanakao. Amena.

Raketiko ato am-poko ny teninao

  • Alahady 20 Aogositra 2023
  • Tsianjery : Matio 6:34
  • " Ary amin'izany dia aza manahy ny amin'ny ampitso ianareo; fa ny ampitso hanahy ny azy. " Matio 6:34










- FIZARANA -


Baiboly Vakiana Efataona

"Toy ny hazo nambolena eo amoron-drenirano izy, izay mamoa ara-potoana sady tsy malazo ravina, ka dia mahomby avokoa ny asa rehetra ataony." Salamo 1/3 (DIEM)

Izao fizarana izao dia fitarihana anao hamaky baiboly mandritra ny efataona. Ny tanjona dia ny hitomboanao amin'ny fahalalana an'Andriamanitra, hitomboanao amin'ny fifandraisana Aminy no sady hamantaranao ny sitrapony mba hanatanterahanao izany.
Toy izao manaraka izao ary ny fandaharana hitarihana anao amin'izany :

  • Fizarana faha 188
  • ANDRO 697 : Ohabolana 15:20-21
  • ANDRO 698 : Ohabolana 15:22-23
  • ANDRO 699 : Ohabolana 15:24-25

Etsy anie jereo!

Ny fandresen' i Davida an'i Gôliata

Nandritra ny fotoana nampifandimbiasan'i Davida ny fiandrasana ondry sy ny nitendreny valiha tao an-dapan'i Saoly mpanjaka dia nitsidika ny tobin' ny miaramila israelita izy mba hanome hanina ireo rahalahiny. Tany no nahalalany fa misy lehilahy amin' ny fahavalon' ny Israelita, dia ilay mpiady mahery indrindra tamin' ny tafiky ny Filistina, atao hoe Gôliata avy any Gata, izay nanao fihaikana ny Israelita hanao adin' olon-droa alohan' ny tena hiadian' ny tafika roa tonta. Nanolo-tena hamaly izany fihaikana izany amim-pahasahiana i Davida. Rehefa natao ny adin' i Davida sy i Gôliata teo amin' ny lohasaha Elaha, dia voan' ny vato natorak' i Davida tamin' ny antsamotady i Gôliata ka maty dia notapahin' i Davida ny lohany (1Sam. 17.40-54). Raiki-tahotra ny Filistina ka nandositra hany ka resy tamin'ny ady nifanandrinany tamin'ny Israelita.

Tia anao Jesoa

" Tany lavitra any no nisehoan'i Jehovah tamiko ka nanao hoe :

Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindrampo ho anao. "